Mitohy ny fakan-kevitra isan-tsehatra ho amin’ny fikaonandoham-pirenena. Ho an’ny sehatry ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy, azo ampihenana ny fahantrana…
“Ahoana no hamadihana ny fanambarana ho lasa asa, ahoana no hanovana ny teny ho lasa vokatra azo tsapain-tanana? Sehatra iray ahazoana mampihena tsara ny fahantrana ny tontolo iainana amin’ny alalan’ireo loharanom-bola azo avy aminy”. Io ny nambaran’ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël, nanomboka ny fikaonandoham-pirenena momba ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy teny amin’ny CCI, Ivato, omaly. Ao ny fivarotana entona karbonina, miteraka tombontsoa ho an’ny kaominina. Ao ny famatsiam-bola iraisam-pirenena iadiana amin’ny fiovan’ny toetr’andro. Manoloana izany, maromaro ny fiovana andrasana: toe-tsaina, rafitra handraisan’ny rehetra anjara, fomba fiasa manome vahana bebe kokoa ny eny ifotony…
Tsy maintsy apetraka ny politikam-pirenena momba ny tontolo iainana amin’ny fandrosoana ara-toekarena sy amin’ny fandrosoana eny ifotony. Eo koa ny fampiroboroboana ny angovo azo havaozina amin’ny fananganana fotodrafitrasa. Tsy tokony hatao intsony ny tontolo iainana, fa ho fototra iorenan’ny firenena, indrindra ho an’ny taranaka. Tohizina amim-pahamendrehana sy fahamatorana ny fiarovana ny harem-pirenena. Amin’ny fanajana hentitra ny lalàna velona izany, amin’ny ady tsy misy fandeferana ny kolikoly, famongorana ny fitrandrahana tsy ara-dalàna, fananganana kolontsaina iombonana momba ny andraikitra… “Tsy misy fampandrosoana maharitra raha tsy misy rafitra matanjaka entina mitantana, tsy misy fiarovana mahomby raha tsy misy fandrindrana hentitra, ary tsy misy vokatra raha tsy misy fahasahiana sy fahamarinana”, hoy izy. Tafiditra ao anatin’ny dingana amin’ny fikaonandoham-pirenena ny fakan-kevitra: inona ny zavatra tsy mety, inona no tokony hohatsaraina…?
R. Nd.




