Motocross –  “4h Honda” : Mpilalao renioney efatra handray anjara

Hotanterahina eny Am­bohidava, Ambatolampy Tsi­ma­hafotsy, ny 14 hatramin’ny 15 marsa ho avy izao, ny fifaninanana hazakazaka ho an’ny kodiaran-droa, ho an’ny Motocross, “4H Honda”, an­diany faha-24. Halaviran-dalana 8 kilometatra eo no hifanintsana ary ahitana sokajin-dalao 15 izany. Manodidina ny 90 eo ny ekipa andrasana amin’ity hetsika ity.
Araka ny fanadihadiana natao, misy teratany vahiny renioney efatra, efa sangany amin’ity lalao ity, ho avy handray anjara amin’io hetsika io.
Raha tsy misy ny fiovana, hifanintsana amin’ireo teratany vahiny ireo ny mpilalao sangany eto Madagasikara, toa an-dry Mathias Plantive sy Claudio Tida.
Ankoatra izay, hampiavaka ny hetsika ny amin’ity andiany ity ny fampidirana amin’ny fomba ofisialy ny sokajy iray natokana ho an’ireo “moto” marika sinoa.
Natao hampiakatra sy hampitombo ny isan’ny mpandray anjara ny fisian’ity karazan-dalao iray vaovao ity.
Marihina fa nataon’ny mpikarakara laharam-pahamehana ny fiarovana ny mpandray anjara sy ny mpijery ka hisy ny hiandraikitra manokana ny fanarahana ny fahasalamana, ary misy koa ny hanao atrikasa sy fampisehoana momba ny vonjy taitra mba hanentanana ny olona amin’ny fihetsika tokony hatao, raha sendra misy olona hiharan’ny loza.

Fitia Randria

Partager sur: