Rugby – “XXL Top 12”: Nivarina fahatelo ny FTM Manjakaray

Taorian’ny fahavitan’ny andro fahenina amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby “XXL Top 12”, nivarina any amin’ny laharana fahatelo ny FTM Manjakaray. Ny faharesena nanoloana ny Cosfa ny anton’izany. Miakatra eo amin’ny toerana faharoa kosa ny CEA Andranomanalina. Mbola mitarika hatrany kosa ny Cosfa (Bebaoty), izay tsy mbola resy, hatreto. Manana isa 29 izy ireo, raha 27 ny an’Andranomanalina ary 24 ny an-dry zareo Manjakaray (Dakar). Eo amin’ny laharana fahefatra ny Uscar Kaominina Antananarivo Renivohitra, manana isa 20. Elanelanisa 1 monja no mampisaraka azy ireo amin’ny USA Ankadifotsy, amin’ny isa 19. Isa 18 ny an’ny TFA Anatihazo ary 13 ny Tam Anosibe. Samy manana isa 10 kosa ny TFMA laharana fahavalo sy ny 3FB fahasivy. Fahafolo ry zareo Mang’Arts Manjakaray amin’ny isa 9 ary isa 6 ny an’ny STM (Savony). Laharana faha-12 ny UASC Cheminots, isa 5. Tsiahivina fa miatrika ny manasa-dalana avy hatrany ny roa voalohany, aorian’ny fifanintsanana.

Tompondaka

Partager sur: