SOMBIM-BAOVAO

Hifarana ny zoma ho avy izao ny fandraisana ny antontan-taratasy fangatahana izay ho kapitenin’ny ekipam-pirenena malagasy taranja tenisy. Olona hitondra ny ekipa amin’ny fifaninanana amin’ny fiadiana ny amboara Davis sy ny Billie Jean King. Takina amin’izay ho kapiteny ny fahaizana tenim-pirenena sy ny fifandraisana amin’ny sehatra iraisam-pirenena.

Hisy fifaninanana basikety karakarain’ny ligin’Analamanga. Fihaonana hotanterahina ny zoma 6 sy sabotsy 7 marsa ho avy izao, etsy amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano. Handray anjara amin’izany ireo Elite U23 lahy sy vavy. Hitarafana izay ho mpandimby ao anatin’ny Ankoay, izany.

Hanomboka amin’ny fomba ofisialy rahampitso zoma, ao amin’ny Kianja Douaisis France, ny lanonana amin’ny famaranana lehibe amin’ny Passion pétanque française (PPF 2026). Ny sabotsy kosa vao tena hanomboka ny fifanintsanana. Hiaro ny voninahi-pirenena amin’izany i Lova sy i Tina (Tonnerre) ary i Yves Sedrick.

Partager sur: