Natolotra omaly, teny Anosy, ny fanehoana ny vokatry ny asa fikarohana anatin’ny tetikasa Promic, tohanan’ny GIZ, mahakasika ny fiovan’ny toetr’andro eo amin’ny fifindra-monina anatiny eto Madagasikara. Nanatanteraka ny fikarohana ny Université des Nations- Unies (UNU-EHS). Haharitra roa andro ny atrikasa hizarana ny zava-misy momba izany sy ny vahaolana azo ampiharina ahafahana mandray an-tanana ny mponina. Avy any amin’ny faritra Atsimo ireo mpifindra monina mandeha any avaratra noho ny haintany misesy mitarika ny tsy fahampian’ny vokatry ny fambolena, foto-piveloman’ny mponina. Misy tantsoroka manokana efa nomena ny vondrombahoakam-paritra mandray ireo mpifindra monina ireo. « Tokony hampidirina ao anatin’ny drafitra fampandrosoana ny faritra na ny kaominina ny fitantanana ireo mpifindra monina ao anatiny », hoy ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, Andriatomponera Nalisoa Voahangiarimino. Tokony hisitraka fanabeazanan ny kilonga ary mahazo asa miteraka fidiram-bola (AGR) ny vehivavy tsy ho vesatry ny fiarahamonina mandray azy ireo. Nanambara ny fanadihadiana iray hafa tao amin’ny faritra Boeny fa ny 32% ny mpifindra monina Antandroy ao an-toerana dia nisafidy hiala tany Atsimo noho ny haintany.
Hitondra sosokevitra ny valin’ ny fanadihadiana izay hatolotra hampiasain’ny fanjakana hahazoana vahaolana amin’izany.
«Efa nisy hatrany ny fifindra-monina anatiny fa ny fiovan’ny toetr’andro no nahabetsaka ny tsindry, nahatonga ny olona handao ny fiaviany. Manao andiany izy ireo ka izay no tsy hahazakan’ny faritra ivantanany ny mpiavy. Lasa miteraka disadisa izany», hoy ny mpikaroka ao amin’ny CNRE, Ranaivoson Socrate.
Vonjy




