Variana nanasa tongotra : Lanin’ny voay i Daulphin, zazalahy vao valo taona!

Hita omaly atoandro ny tapany ambanin’ilay zazalahy, antsoina hoe Daulphin, nohanin’ny voay teo am-panasana tongotra, tany Berevo. Natelin’ilay biby ny tapany amboniny ka tsy hita niaraka tamin’izany ny tanany sy ny lohany. Mbola mikaroka ilay voay ny fokonolona.

Ontsa avokoa izay nahita ilay horonantsary, nirakitra ny famonoana sy niteleman’ny voay an’ilay zazalahy vao valo taona, afakomaly. « Nandeha nandro tao amin’ny reniranon’i Tsiribi­hina, kaominina ambanivohitra Be­re­vo izy sy ny namany roa lahy, tokony tamin’ny 8 ora maraina, ny alarobia maraina », hoy ny fanazavana avy amin’ny fianakaviany tamin’ny alalan’ny antso an-taribia, omaly. «Niakatra teny an-tanety ny roa rehefa avy nandro. Mbola nijanona nanasa tongotra ilay zanakay, lasibatra narapaky ny voay. 100 metatra niala tamin’ny toerana nandroan’izy ireo no nisy ilay biby. Nanatona moramora, somary nihodidina azy ilay voay, avy eo nandrapaka azy avy hatrany», hoy hatrany ny fampitam-baovao avy amin’ny havany.
Niantso vonjy teny an-tanàna ny zazalahy roa niara-nandro taminy, rehefa nahita ny tranga. Vory lanona ny fokonolona sy ny zandarimariam-pirenena any an-toerana. Tsy afaka nanatona nanavotra ilay zaza izy ireo, noho ny halalin’ny rano.

Nitifitra
Nampiasa ny fitaovana teny am-pelatanany ny rehetra saingy tsy nahitam-bokany. Nanapa-kevitra ny hitifitra ilay voay ny mpitandro filaminana. Lasa nitsoaka anefa ilay biby voatifitra ary tsy hita intsony. Niara-nientana nitady ilay voay ny fokonolona taorian’izay. Nitohy mandraka ny omaly ny fikarohana ary hita teo amin’ilay rano nihinanan’ilay voay azy ny tapany ambanin’ilay zazalahy, ny ampitson’ny tranga.
Faritra be voay
Faritra be voay ny reniranon’i Tsiribihina saingy tsy mihinana olona izy ireny, raha ny fanazavana voaray hatrany. Efa mahazatra ny olona any an-toerana ny milomano sy manjono, amin’izany. Efa tamin’ny dimy taona no nisy tranga tahaka izao. « Tsy mbola nihinana olona anefa fa nikapoka olona mandalo fotsiny ihany ireo biby ireo, hatramin’izay », hoy hatrany ny fitantarana. Hatramin’izao, mbola tsy fantatra mazava ny antony niavian’ity tranga ity. Eo am-pamantarana izany ny tomponandraikitra isan-tsokajiny. Mbola tsy hita ilay voay nihinana io zazalahy io hatramin’ny omaly nanoratana ny lahatsoratra, raha ny fanazavana voaray avy any an-toerana. “Tsy fantatra raha matin’ny bala nahazo azy izy io na tsia », hoy hatrany ny fianakavian’ilay zazalahy. Efa mitady olona mahay, hamandrika ilay voay nihinana olona ny tomponandraikitra any an-toerana amin’ izao fotoana izao. Manodidina ny 3 metatra eo ny halavan’ny voay, raha ny tombana nataon’ny olona tany an-toerana.

Mino

Partager sur: