Ady fiady

 

8 marsa. Andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy. Ao anatiny tanteraka izao. Efa nisy ny hetsika samihafa isam-paritany na faritra: fanompoam-pivavahana iraisam-pinoana, fambolen-kazo, varotra fampirantiana… Arahaba soa, arahaba tsara. Na izany aza, tsy avela handalo fotsiny; eny, na hoe misy sy fanao isan-taona aza. Indrindra amin’ity hoe Fanavaozana… “Vehivavy malagasy, hery iray ho an’ny Fanavaozana ny firenena” rahateo ny lohahevitra amin’ity. Mby aiza?
Hatramin’izao, mbola mahabe resaka ny sasany, ohatra, ny hoe: tsy hitovy zo na oviana ny lehilahy sy ny vehivavy? Resaka, hono, ka atao, ady ka atrehina… Tsy vitan’izay, misy ny mahita ka milaza ka tsy ady atao na anaovana fitakiana efa ho lava ny fitovian-jo, fa ampiharina sy sitrahina avy hatrany. Mba marina? Raha tsy iadiana ve, ohatra, ny miralenta eo amin’ny fitantanan-draharaha na amin’ny sehatra fanapahan-kevitra, ho tonga na ho azo ho azy amin’izao? Ady fiady mandrakariva…
Na izany aza, ilaina koa ny misehatra sy misitraka avy hatrany izay zo azo zakaina. Tsy iandrasana ny hafa hiova vao hiova ny tena. Tsy izany ve, ohatra, no nirosoan’ny vehivavy miandalana amin’izay asa noheverina hoe ho an’ny lehilahy ihany hatramin’izay. Eny, na ny teto amintsika aza: mpamily fiarakaretsaka, mpivaro-kena… Mbola hisy ny vehivavy hanao ady totohondry na hisavika omby? Natao hiova sy hivoatra ny zava-drehetra… Rehefa tsy miova ny tena, ovainy ho azy.
Amin’izao hoe Fanavaozana izao, inona no entin’ny vehivavy? Tsy hoe takina fotsiny ihany intsony… Ady fiady mandrakariva? Na mitohy, maharitra, tsy misy farany… Miantsehatra ny tena, mampihatra, misitraka… Izay no maharesy lahatra kokoa amin’ny hoe fitovian-jo?

R. Nd.

Partager sur: