Handray lalao goavana amin’ny taranja basikety, hifanintsanan’ireo mpianatry ny anjerimanontolo, ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, amin’ity volana ity. Hahazo loka maro izay mendrika.
Hotanterahina ny 14 hatramin’ny 22 marsa, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fifaninanana basikety ho an’ny Oniversite, “XXL Smatchin Ao tsara”. Miisa 44 ireo oniversite sy toeram-pampianarana handray anjara amin’ity andiany ity. Ahitana ekipa 43 ny lehilahy ary 18 ny vehivavy. Araka ny fanadihadiana natao, hotolorana lelavola 5 tapitrisa Ariary izay mivoaka ho mpandresy amin’ny sokajy lehilahy, raha toa ka 4 tapitrisa ariary kosa ny an’ny ekipa vehivavy.
Hampiavaka ny fifanintsanana amin’ity ny fisian’ny loka ho an’ireo mpilalao mendrika isaky ny fifanintsanana sy ny amboara ho an’ny ekipa mendrika ao anatin’ny andro iray. Hahazo fankasitrahana ihany koa ny mpanohana tsara indrindra mandritra ny andro iray. Nomarihin’ny mpikarakara fa tsy afaka mandray anjara amin’ity fifaninanana ity mihitsy ny mpilalao manana kara-pilalaovana amin’ny N1A. Ny N1B ihany no afaka miakatra kianja.
Ampahatsiahivina ihany fa ny ekipan’ny ESsca Antanimena no nahazo ny amboara ny Smatchin, tamin’ny taona 2025 lasa teo, ho an’ny lehilahy, ary ny IUM ho an’ny vehivavy.
Fifaninanana “Dunk” sy tifi-davitra 3 point…
Ankoatra ny lalao basikety ho an’ny olona dimy eny an-kianja, hisy koa ny fifanintsanana ho an’ny tsirairay, mandritra ny hetsika. Ao anatin’izany ny fifaninanana “Dunk” sy ny tifi-davitra hahazahoana isa 3. Tsy izany ihany, hisy koa ny lalao an-kira sy ny fampirantiana ny hatsaram-bika sy tarehy ho an’ny lehilahy sy vehivavy. Marihina fa anisan’ireo orinasa manohana ny hetsika “XXL Smatchin Ao tsara” ny Orange Madagascar sy ny Star.
Fitia Randria




