Fandaharanasa Fanavaozana : Afapo tamin’ny diany teto ny iraky ny Sadc

Nahafa-po ny dia teto Madagasikara, nanomboka tamin’ny 27 febroary ary nifarana omaly, araka ny nambaran’ny filohan’i Malawi teo aloha, Dr Joyce Banda, nitarika ny delegasionin’ny komitin’ny olon-kendry avy amin’ny Sadc. Nihaona tamin’ny minisiteram-panjakana eo anivon’ny fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika teny amin’ny Lapam-panjakana, Maha­zoa­rivo izy ireo, afakomaly. Tamin’izany no nitondrany tatitra momba ny iraka nampanaovina azy. Anisan’ny lehibe indrindra tamin’ireo vokatra azo ny namoahan’ny fitondrana Fanavaozana ny fandaharanasam-panjakana. Maniry izy ireo ny hanapariahana ny antontan-kevitra ho an’ny Malagasy rehetra. Nihaona tamin’ny ankolafin-kery maro izy ireo tamin’ny diany. Teo ny fikambanam-behivavy, fikambanana tanora, antoko politika, fiarahamonina sivily, ny filohan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana, ny teo anivon’ny Antenimie­rampirenena, ny FFKM.
Na izany aza, misy ireo mbola tsy mahazo tsara na tsy mankasitraka ny votoatin’ny tondrozotra. Nefa vonona ny handray anjara amin’ny dingana rehetra amin’ny fikaonandoham-pirenena izy ireny. Nanamafy ny Dr Joyce Banda fa tsy hanery na hilaza izay tokony hatao no anton-diany eto Madagasikara fa mpanara-maso ny asa ho an’ny fanavaozana fotsiny ihany. Iray ihany ny tanjona, ny ady amin’ny fahantrana. Firenena manan-karena i Madagasikara ka tsy tokony hahantra ny vahoaka ao aminy. Toa an’i Malawi ihany. Aorian’izao dian’ny iraka izao, hoentina eo anivon’ny fihaonana an-tampon’ny Sadc ny tatitry ny delegasionina. Ary aorian’izay, hisy ny iraka teknika ho tonga eto Mada­ga­sikara.

R. Nd.

Partager sur: