FANTINA sy FINTINA

 Nanatanteraka sakafom-pirahalahiana na “Iftar de la fraternité” toy ny fanaon’izy ireo isan-taona, anatin’ny volana Ramadany, ireo mpino silamo. Anisan’ny niatrika izany ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël. Nambarany fa fotoana fanarenana ny firenena izao ka manana andraikitra amin’izany ny rehetra. Anisany ny mpino silamo.
 Tsy ny FFKM no tsy nahomby tamin’ny fandaminana ny firenena, araka ny nambaran’ny mompera Ratovomanarivo Prospère. Ireo nandray ny fahefana no  tsy nampihatra izany. Nohitsiny fa any ifotony no dikan’ny fanorenana ary tompon’ny fahefana ny vahoaka. « Mila sarotiny amin’izany isika. Aoka koa tsy hanao Repoblikam-boalavo », hoy izy.
 Nahatsiaro sy nahatsapa tena ho nahavita ny adidiny manoloana ireo tanora Gen Z nijoro sy sahy teto amin’ny firenena ny filohan’ny antoko, Rabary Paul. Nambarany fa mpianany ny ankamaroan’ireny tanora ireny. « Tena sahy sy tsy nanaiky lembenana hatramin’ny farany izy ireo », hoy izy.
 Nohavaozina ny birao mandrafitra ny antoko Malagasy miara-miainga any amin’ny faritra Alaotra Mangoro. Voafidy hitantana izany Rakotoarivelo Jean Ernest. Samy nahatonga solontena avokoa ireo distrika rehetra mandrafitra ny faritra. Tapaka tamin’izany fa hitohy ny fanetsehana sy fanamafisana ny rafitry ny antoko eny ifotony.
Partager sur: