Nanatanteraka fikaonandoha savaranonando ny eo anivon’ny Vovonana Paikady anorenana rahampitso ho an’i Madagasikara (Panorama), ahitana antoko politika maromaro. Anisan’ny takin’izy ireo ny hanomezana hasina ny antoko politika.
Voaresaka tamin’izany ny olana nateraky ny fanaovana politika. Nambaran’ny mpandrindra ny Panorama, Randrianirina Ignace (Ramasy), fa tsy nanome lanja sy hasina ny antoko politika ireo mpitondra nifandimby. Tena vao mainka niharatsy izany tamin’ny fitondrana farany teo. Niaiky koa anefa izy ireo fa tao ireo antoko tsy nanao ny asany amin’ny maha mpanao politika azy. « Tonga ny fotoana hametrahana amin’ny toerany ny antoko politika, manomboka izao. Afaka havondrona ho telo izy ireo. Ao ny mpanohana sy ny mpanohitra ary ny sady tsy mpanohitra no tsy mpanohana », hoy izy ireo. Nohitsin’ny vovonana Panorama koa ary itoviany amin’ireo antoko na fikambanana politika hafa ny tsy fanekena ireo mpirotsaka hofidina tsy miankina na mahaleo tena.
Voatsiahy tamin’izany fa tsy namela ny antoko politika hitraka ny fitondrana farany teo. Nandeha ny fanararaotana ny fahefam-panjakana. Nohitsin’izy ireo koa fa nanome endrika ratsy ny fanaovana politika ny fivadibadihana palitao sy ny tsy fipetrahana amin’ny foto-kevitra ijoroana. « Sitrany ahay misy vola sy seza ahafahana manao politika », hoy ihany izy ireo.
Vitsy ireo antoko manao kongresy na zaikabe
Ankoatra izany, nanterin’ ny vovonana Panorama fa maherin’ny 300 ireo antoko politika, nefa tsy mahasahana faritra 24 akory. Tsy manana mpikambana voavolavola sy tsy manao latsakemboka. « Tsy mandray anjara amin’ny fifidianana sady vitsy ireo antoko nahavita kongresy na zaikabe », hoy izy ireo.
Manoloana izany, natsangana ny komity hamolavola ny fanavaozana ny fanaovana politika. Hitohy amin’ny fivoriana manaraka izany, handravonana ireo lalan-kevitra havoitra sy ho entina any amin’ny fikaonandoham-pirenena.
Synèse R.




