IPAS Madagascar: Manamafy ny fanabeazana ara-pananahana ho an’ny zatovo

Nikarakara atrikasa fa­melabelaran-kevitra tetsy amin’ny Le Pavé Antaninarenina, ny Ipas Afri­que Madagascar, ny alarobia 4 marsa 2026 teo. Fotoana niresahana mahakasika ny zo sy fahasalamana ara-pananahana eo amin’ny zatovo. Ao anatin’ny sokajin’olona marefo ny zatovo, indrindra ny zatovovavy satria iharan’olana maro. Ankoatra izay, mbola mipetraka ho fady eny ani­von’ny fiarahamonina sy ny ankohonana izy io, raha ny zava-misy eto Madagasikara. “Tsy tokony ho sakana ho an’ ireo zoky sy ray aman-dreny anefa ny firesahana momba izany”, hoy Razanaliliany Hajasoa, Point focal Ipas Madagascar, nandritra ny he­tsika. Tomponandraikitra feno amin’ny fanabeazana amin’ny lafiny fitondrantena sy ny fa­ha­salaman’ny zanany ireo ray aman-dreny sy mpanabe. Nam­baran’izy ireo hatrany fa tokony hamafisina ny fifam­piresa­hana eo amin’ny ray aman-dreny sy ny zanaka, indrindra eo amin’ny mpianakavy. To­kony haverina koa ny takariva amorom-patana, ahafahana manao dinidinika eo anivon’ny fianakaviana. Tan­jona ny ha­hafahana miaro sy manamora ny fanabeazana azy ireo eo amin’ny resaka fananahana na eny anivon’ny fiarahamonina izany na ao anatin’ny fianakaviana. Eo koa ny fisorohana ny vohoka aloha loatra na tsy niriana sy ny fanalan-jaza eo amin’ny tanora. Manampy be­tsaka ny mpisehatra sy ny mpa­nentana ara-pahasalamana rahateo izany. Nandray anjara tamin’io hetsika io ireo hery velona rehetra manerana an’i Mada­ga­sikara. Toy ny fikambanana tanora, ny mpiasan’ny fahasalamana sy ny mpampivelona, ny solontenan’ny mi­ni­siteran’ny Fahasalamam-ba­hoaka, ny minisiteran’ny Mpo­nina sy ny Firaisankina ary ny fikambanana isan-tsokajiny.

Mino

Partager sur: