Minisiteran’ny fahasalamana : Nanao atrikasa ho an’ny CREC

Nanao atrikasa fanavaozana ny fandaharam-piofanana ho an’ireo mpisehatra “CREC”, ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Notanterahina teto Antananarivo, nanomboka ny 04 hatramin’ny 06 marsa 2026 lasa teo izany. Atrikasa hanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpisehatra rehetra manoloana ny fiatrehana valanaretina sy areti-mifindra lehibe misy eto amin’ny Nosy. Tafiditra ao anatin’izany ny fampidirana ma­zava ny fomba fiasa mifototra amin’ny fiarahamonina, ny fijerena ny lafiny maha lahy sy maha vavy ary ny fanajana ny zon’olombelona. Nohatsaraina ny votoatin’ny fandaharam-piofanana mba hifanaraka amin’ny zava-misy ara-pahasalamana misy amin’izao fotoana izao. Tanjona ny hananana fandaharam-piofanana maoderina, mirindra ary mandray anjara mavitrika amin’ny fanamafisana ny rafitra fiomanana sy famaliana ny hamehana ara-pahasalamana. Nohamafisina nandritra izany koa ny fiaraha-miasa sy ny fandrindran’asa eo amin’ ireo samy mpisehatra. Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa
« Pandemic Fund », izay vatsian’ny OMS vola ity atrikasa ity.

Mino

Partager sur: