Sekoly Rugby AJS : Handray anjara amin’ ny sehatra federaly

Anisan’ireo sekoly mamolavola tanora amin’ny taranja baolina lavalava, « Rugby », ny Association des jeunes sportifs (AJS) etsy Tsiadana. Amin’ity taona ity, manana fikasana ny handray anjara amin’ny fifanintsanana anivon’ny rafitra federaly, ao amin’ny seksionina Vakiniadiana ny sekoly, araka ny filazan’ny tomponandraikitra.
Raha ny fanadihadiana natao, maherin’ny 80 isa eo ny ankizy beazina ao amin’ity sekoly ity, ary efa maro tamin’ireo mpilalao novolavolaina no efa voaantso tamin’ny fifantenana ny ekipam-pirenena Makis an’i Madagasikara, sokajy zandriny.
Tanjon’ny AJS ny hamokatra mpilalao matihanina sy olom-banona eny anivon’ny fiaraha-monina. Misokatra ho an’ny rehetra ny sekoly ary mangataka fanohanana avy amin’ireo izay vonona hiara-hiasa amin’izy ireo mba ho fampivoarana ny taranja sy ny fanatanjahantena eto an-toerana.
Tsiahivina fa ankoatra ny baolina lavalava, mamolavola zatovo amin’ny taranja tolona ihany koa ny AJS. Tany amin’ny taona 2019 no niforona ny AJS, sady ahitana vehivavy sy lehilahy ao anatin’ity sekoly ity.

Tompondaka

Partager sur: