Notanterahina tetsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina ny fankalazana ofisialy ny “Andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy”, omaly. Nitarika izany ny vadin’ny filohan’ny Fanavaozana Randrianirina Elisa. Nanome voninahitra ny fotoana ny vahiny manan-kaja avy any Centrafrique.
Tontosa omaly, teny Mahamasina ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy. Nisy ny diabe ny maraina. Niainga avy eny Atanimbarinandrina nihazo an’Ambohitsorohitra ary nifarana tao amin’ny Kianjan’i Mahamasina izany. Nandray anjara ny fikambanam-behivavy samihafa, ny vehivavy mpiasa eny anivon’ny minisitera rehetra niaraka tamin’ny fitafy mampiavaka azy tsirairay.
Nandritra ny lahateniny, nahatsiaro manokana ireo mpiray tanindrazana any Toamasina ny vadin’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, Randrianirina Elisa. Nomarihiny fa tsy ho fety fankalazana fotsiny ny andron’ny 8 marsa. “Natao indrindra handinihana lalina ny dingana efa vita sy ny ezaka mbola tokony hotratrarina amin’ny fametrahana ny zon’ny vehivavy, ny fampiharana sy ny fiarovana izany”, hoy hatrany izy. Hanamafisana ny tolona ho an’ny rariny sy ny fitovian-jo ny hetsika omaly. Mila miainga amin’ny toe-javamisy ankehitriny raha mikasa hitondra fanovana. Vehivavy ny 50,7%-n’ny mponina eto Madagasikara izay miaina sy mivelona any amin’ny tontolo ambanivohitra ny ankamaroany. Mbola olana lehibe maro no sedrain’ireo vehivavy ireo toy ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy sy maha vavy (VBG), ny tsy fahampian’ny fizakan-tena ara-toekarena sy ara-bola, ny fanambadiana sy ny fitondrana vohoka aloha loatra… tsy fahampian’ny fandraisana anjara amin’ny ireo seha-panjakana mpanapa-kevitra.
Adidin’ny rehetra
Mila mitady vahaolana maharitra hanarenana ireo tsy fahatomombanana ireo ka izany no antony nametrahana ireo politikam-panjakana sy tetikasa mifototra amin’ny fanomezan-danja sy tombony manokana ho an’ny vehivahy izay laharam-pahamehana amin’izao fanaovazana ny Repoblika izao, hoy ihany izy.
Mifanindran-dalana amin’ny hevi-dehibe napetraky ny Firenena mikambana ho an’ny fankalazana omaly “Zo, ny rariny ary ny tetikasa ho an’ny vehivavy sy ny tovovavy rehetra” io politikam-panjakana efa mipetraka io.
Manao antso avo izy ho an’ny sokajin’olona rehetra satria adidin’ny tsirairay ny manome aina sy manaja ary mampanaja ny zon’ny vehivavy. Hijoro ho vahaolana sy ho mpanalalana fa tsy ho sakana ny isam-batan’olona.
Vonjy




