FANTINA sy FINTINA

Nanolotra fanampiana 110 tapitrisa Ar ho an’ireo traboina ny fikambanan’ny orinasa sinoa. Natao ho an’ny faritra Atsinanana izany, araka ny nambaran’izy ireo raha noraisin’ny filoham-panjakana, teny Iavoloha, izy ireo ny faran’ny herinandro teo. Nam­baran’ity fikambanana ity fa famaliana ny antso nataon’ny fitondrana izao.

Tsy tokony hatao fitaovana hitadiavana seza ny fikambanan’ny mpianatra, araka ny nambaran’ny mpanolotsaina avo eo anivon’ny fiadidiana ny Fa­naovazana, ny Kly Rampanarivo Thierry. « Ny tombontsoan’ny rehetra no tokony imasoana », hoy izy. Niara-namboly hazo nataon’ny Mafami sy ny Croua teny amin’ny oniversiten’Antananarivo izy.

Hohatsaraina sy hamafisina hatrany fiaraha-miasa amin-dry zareo Japoney. Nivoitra izany tamin’ny nankalazaina ny zoma teo ny faha-66 taonan’ny andriamanjaka Amperora an’i Japon. Nanotrona izany ny mpanolotsaina avo eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika sy ny minisitra sasany eo anivon’ny governemanta.

Voarohirohy amin’ny tranga kolikoly sy fanodinkodinam-bola ireo tompon’andraikitra sasany eo anivon’ny Trano printy Loteranina. Niakatra tetsy amin’ ny Pac, 67 Ha ny raharaha ny herinandro teo. Fantatra tamin’izany fa hivoaka amin’ny 24 marsa izao ny didim-pitsarana momba izany.

Partager sur: