INDRAY MIJERY

Hahazo vahana ny orana any amin’ny ilany avaratry ny Nosy noho ny fandalovan’ilay tangoron-drahona. Ny tsioka avy atsinanana kosa no handrafitra ny toetry ny andro any an-kafa. Tombanana hahazo vahana kokoa ny oram-baratra any amin’ny morontsiraka avaratra nanomboka omaly ary hitohy anio. Vinavinaina hahatratra 50 hatramin’ny 100 mm ny tahan’ny rotsakorana ao anatin’ny 24 ora ka nahazo fampitandremana miloko mena : Ambatosoa, Analanjirofo, Antalaha, Toamasina I, Toamasina II, Brickaville ary Vatomandry.
Tonga nijery ny fitohizan’ny asa fanarenana ny tanànan’i Toamasina taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gezani ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny faran’ny herinandro teo. Nitsidika ny oniversite ao Barikadimy ny delegasionina. Nisy ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Haitao ara-kajy mirindra, ny Paositra sy ny ny fifandraisan-davitra sy ny oniversiten’i Toamasina. 90 % amin’ireo fangatahan’ny mpianatra no voavalin’ny Banky iraisam-pirenena hanarenana ny fotodrafitrasa. Raha vantany vao voaray ny vola dia hanomboka avy hatrany ny asa ary ezahana ho vita ao anatin’ny 30 andro izany. Tsy horaisina eny amin’ny Paositra Malagasy intsony ny vatsim-pianarana amin’ity taona ity.
Taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gezani, miroso amin’ny fanarenana ireo fotodrafitrasa rava ny eo anivon’ny LTP Toamasina. Nisy fifanomezan-tanana eo amin’ireo mpiara-miombon’antoka maro sy ny fitondram-panjakana. Nahafahana nampihatra avy hatrany ny fahaiza-manaon’ny mpiofana amin’ny alalan’ny “chantier école” izany. Miezaka hatrany ny tompon’andraikitra eny ifotony amin’ny fanafainganana ny fanarenana ny lisea teknika sy ny ivontoeram-panofanana mba hanohizana ny fianarana. Efa tonga ireo fitaovam-pianarana avy amin’ ny minisitra ho an’ireo mpiofana hiatrika ny fanadinana.

Partager sur: