Kolonely Randrianirina Michaël: « Tsy afapo amin’ny fanarenana an’i Toamasina »

Nidina tampoka tany Toamasina, afakomaly, ny Filohan’ny Fanavaozana, ny Kly Randrianirina Michaël. Diso fanantenana amin’ny fivoaran’ny asa fanarenana izy.

Fanamarihana avy hatrany no nosantarin’ny filohan’ny Fanavaozana ny lahateniny, niatrika ny tomponandraikitra isan’ambaratongany, tany Toamasina, afakomaly.  « Teto aho nialohan’ny fahatongavan’ny rivodoza Gezani. Vao maraina, vao lasa ny loza dia nitety fokontany maro. Nijery hopitaly,  nahita maso tsara ny fahavoazana. Androany, tsy noheveriko ho mbola ho toy izao ireo tranom-panjakana hopitaly sy sekoly, indrindra ny fiverenan’ny herin’aratra”, hoy ny Kolo­ne­ly  Randrianirina Michaël. Ni­an­tefan’izany ny herive­lo­na   rehetra, mpisehatra amin’ ny fanarenana sy vahiny mpanohana teknika sy ara- bola ary ara-pitaovana.
Nohamafisiny fa betsaka ny vola sy fanampiana tonga. Maro ny fitaovana voaray. « Nanakaiza izany ? Aiza ho aiza ny fisitrahan’ny vahoaka traboina ny tolo-tanana ? Ohatrinona  amin’ireny sora-bola efa fantatra  no efa nivoaka ? Natao inona avokoa ireo vola ? Ahoana ny  fandaniana azy? Ohatrinona ny vola mbola am-pelatanana ? Inona no drafitra mazava nampiasana ny vola sy izay mbola ho avy? », hoy izy nangataka fanazavana.

Hentitra
28 Andro taorian’ny rivodoza, niverina nitsidika an’i Toamasina ny filohan’ny  Fa­navaozan’ny Repobli­ka.  Hen­titra izy manoloana ny  fitavozavozan’ny mpitantana eo anivon’ny BNGRC sy prefektiora izay misahana mivantana ny fitantanana ny Loza voanjanahary sy ny tandindon- doza. Natsangana ny komitin’ny fandrindrana ny fanarenana an’i Toamasina. Notendrena  hitarika izany ny jeneraly, Ramasy Razafindrakoto Heritiana. Ho laharam-pahamehana ny  fana­renana ny fotodrafitrasam-panjakana. Ho vaindohan-draharaha ny hopitaly, ny sekoly, ny tobin’ny zandary sy tafika, ny Lapan’ny tanàna.
Manohy ny  fizarana fana­mpiana ho an’ireo traboina ny BNGRC sy ratsamangaika mpanara- maso.  Manao ny ezaka fanadiovana isan-karazany koa ny kaominina.

Sajo sy Riana Raymond

Partager sur: