Maro ireo nahita soa avy aminy na teto an-tanindrazana na ny any ivelany. Randrianjatovo Henri, iray amin’ireo oloben’ny fahalalana ara-panahy no tsy eo intsony.
Sabotsy 7 marsa 2026, nodimandry teo amin’ny faha-73 taonany, Randrianjatovo Henri filohan’ny Trano Kolotoraly Malagasy. Sehatra maro no nahafantarana azy. Goavana indrindra tamin’izany ny tontolo ara-panahy, ny kolontsaina sy ny zavakanto, ary ny fitsaboana, izay nifototra bebe kokoa tamin’ny maha izy ny Malagasy sy ny fanahy no olona ary ny fahalalana iraisam-pirenena mifandraika amin’ireo (Tradipraticien, astrologue, medecine de l’habitat).
Taona 2010, Randrianjatovo Henri sy ireo mpikamban’ ny Trano Kolotoraly Malagasy, namany, no namorona ny anarana « Taombaovao Malagasy » hiantsoana ny fomba amam-panao ankalazaina sy tanterahina isan-taona amin’ ny tsinambolan’ny fararano (marsa-avrily). « Taombaovao » ho an’ny Malagasy rehetra tsy anavahana finoana, na fihaviana, na saranga… Marihina fa, amin’izay maha fomba azy izay. Efa fanaon’ny Malagasy isan-taona ny mankalaza ny tsinambolan’ny fararano araka ny voarakitry ny boky « Histoire de la grande isle Madagascar » (pejy 173 sy 177).
Ankoatra izay famohazana sy fivoizana ny Taombaovao amin’ny tsinambolan’ny fararano izay. Mpanandro sy mpanotra ihany koa Randrianjatovo Henri. Nanoratra tononkalo miompana amina lohahevitra samihafa izy. Radio sy gazety maro no nentiny nizara nampahafantarana ny fanandroana sy ny fomba amam-panao malagasy. Anisan’ireny ny Radio sy ny Gazety Feon’ Imerina, ny Gazety Taratra, sns. Anio, no hametrahana ny nofomangatsiakany eny amin’ ny fasan-drazany eny Morarano Idilana (Talata Volonondry).
Mirary fiononana feno sy fankaherezana ho an’ny fianakaviana manontolo ny Gazety Taratra.
HaRy Razafindrakoto




