Andrasana ny fanavaozana

Araka ny hita sy re, novoizin’ny fampahalalam-baovao, nitondra fanamarihana mahakasika ny fanarenana an’i Toamasina ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika. Nangataka fanazavana izy amin’ny antony mampitarazoka ny fandehan-draha, iray volana aty aorian’ny faharavana. Sambany angamba no nisy manampahefana nahasahy niteny ampahibemaso ny fomba fiasan’ireo mpiantsehatra amin’ny fitantanana ny voina sy traboina. Inona tokoa ny olana sy mampitaredretra? Sa ininiana atao sy tsy ampy mangaraharaha?
Mahavariana tokoa aloha fa tsy anisan’ny sampandraharaha iray hiadiavana mafy sy hisisihan’ny mpitady asa ao amin’ireo sampandraharaha na birao ireo. Tsy noho ny iraka no mahamaika fa ny tombontsoa mihoapampana. Misy mihitsy aza ny maniry loza. Sanatrian’ny vava, ny fahavoazan’ny hafa no tombontsoan’ny sasany. Tsy hoe ory hava-manana na fialonana ny mpiasa amin’ny tetikasa ho an’ny traboina fa mila fanavaozana.
Tena mitaky izay fanavaozana toe-tsaina, fanavaozana fomba fiasa ny loza nikapoka an’i Toamasina. Raha ny fivoaran’ny fomba fiasa manko, tena am-polo taonany vao ho vita izay asa fanarenana izay. Lalaovina sa tsy afa-manoatra? Tsy tompon’ny vola rahateo i Madagasikara fa mbola miankindoha. Miandry izay tian’ny tompom-bola hanomezana azy. Iaraha-mahalala ihany koa fa samy amin’ny kajikajiny. Manana ny tanjony manokana ny mpiara-miombon’antoka, malagasy na vahiny.
Mila fandinihan-tena ihany koa ny fomba fiasa sy fomba fisaina. Mahavariana ny kitranoantrano sy ny masontsivana amin’izay ho ampiana, ohatra. Ny fikambanana sy vondrona sasany, omena tombondahiny. Ny toerana sy tanàna hafa zary tany lavitrandriana. Tsy mahagaga raha zara fa vita izay mba kely vita. Ny asa goavana zara raha miainga. Fehiny, sehatra ilana fanadiovana sy ilana fepetra henjana ny mahakasika ny fitantanana ny fanampiana traboina sy fanarenana ny rava ity mba tsy hanaratsy endrika ny mpitondra. Mba hahitana taratra izany tena fanavaozana izany.

r.r

Partager sur: