Ankizy milalao : Ekipa 106 tonga nandray anjara

Notanterahina teny amin’ny Kianja Betongolo, ny 7 sy ny 8 marsa teo ny fifaninanana ho an’ny ankizy, « Ankizy milalao» andiany faharoa, izay karakarain’ny Analakely Football Academy (Afa). Nilaza ny mpikarakara fa nahomby ny hetsika, nahatratra 106 ny ekipa tonga nandray anjara tamin’izany, izay nozaraina tamin’ny sokajy U7, misy ekipa 21, ny U9 nahitana mpifaninanana 22, ary ny U11, nisy 31. Niisa 32 kosa ny mpandray anjara tao amin’ny U13. Noho ny hamaroan’ireo mpandray anjara, voatery hatao amin’ny faran’ny herinandro io indray ny dingana famaranana amin’izany. Anisan’ireo nandray anjara tamin’ity fifanintsanana ity ny sekolin’ny baolina kitra, La Masia, Elgeco Plus, Five Aca­demy, Kintana Academy, ny EFT, ny Ajesaia, ny Cosfa…
Marihina fa tanjon’ny hetsika ny hampivoatra sy hampivelatra ireo taninketsan’ny baolina kitra malagasy. Ny volana novambra lasa teo, teny Betongolo ihany, nahatratra 1 200 mahery ireo ankizy tonga nandray anjara tamin’ny andiany voalohany. Ny fifaninanana tahaka izao no tsy ampy eto Madagasikara ka tokony ho tohanan’ny mpitantana izany.

Fitia Randria

Partager sur: