Navoakan’ny Filankevi-panjakana eo anivon’ny fitsarana tampony, Anosy, omaly, ny didy momba ny fifidianana ben’ny Tanàna, Antananarivo Renivohitra. Mandidy ny hamerenana an’izay fifidianana ben’ny Tanàna izay ny fitsarana. Tsy manankery ny vato azon’ny ben’ny Tanàna, ankehitriny, Ramanantsoa Harilala. Manoloana izany, nanamafy ny mpisolovavan’ny kandidà Ravalomanana Tojo, mpifaninana aminy, fa nahomby ny paikadin’izy ireo tamin’ny raharaha. Voalaza fa hosoka sy fanodinkondinana vato na ny safidim-bahoaka tamin’ny fifidianana ben’ny Tanàna tamin’ ny 11 desambra 2024. Ny fanalana an-daharana ny kandidà Ramanantsoa Harilala no notakin-dry zareo hatramin’izay. Saingy famerenana fifidianana ben’ny Tanàna ny didy navoakan’ny fitsarana.
Hanao ahoana izay famerenana fifidianana ben’ny Tanàna izay? Fanontaniana mby ao an-tsain’ny maro avy hatrany io amin’izao toe-draharaham-pirenena izao. Indrindra eto Antananarivo Renivohitra, renivohitr’i Madagasikara, ny raharaha… Hamoaka didim-panjakana amin’ny fiantsoana ny Ceni hikarakara sy hanatanteraka fifidianana ve ny governemanta? Andaniny, efa lazain’ny fitondram-panjakana hatrany ny fanovana na fanavaozana ny rafi-pifidianana. Tsy ny Ceni amin’izao no hanao an’izay fifidianana amin’ny ampahany izay? Miandry fanovan-drafitra. Hatramin’ny lalàmpanorenana, andrimpanjakana, lalàna… Ankilany, tsy firy na tsy nisy ny fifidianana ben’ny Tanàna amin’ny ampahany hatramin’izay. Tsy misy fe-potoana rahateo izay, ka voarirarira lava eny. Ho fanendrena filohana delegasiona manokana (PDS) ny raharaha? Ho hita eo…
R. Nd.




