Efa-bola aty aorian’ny nananganana azy, rava ny governemanta notarihin’ny Praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama. Raha ny vaovao farany voangona, ao anatin’ny folo andro no hahatafatsangana izay ho mpandimby.
Rava omaly hariva ny governemanta araka ny vaovao nivoaka tao amin’ny pejy facebook-n’ny fiadidiana ny Fanavaozana (PR RM). Voalaza ao fa ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika dia manambara fa araka ny fampiharana ny Lalàmpanorenena dia natsahatra tamin’ny asany ny Governemanta tarihin’ny Praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama. Nohamafisin’ny fanambarana hatrany fa hiroso tsy ho ela amin’ny fanendrena ny Praiminisitra vaovao araka ny paika voatondron’ny Lalàmpanorenana ihany ny Filohan’ ny Fanavaozana. Mandra-pisian’ny fanendrena ny Praiminisitra sy ny mpikambana vaovao eo anivon’ny governemanta dia ny Sekretera jeneralin’ny minisitera tsirairay no misahana ny fampandehanan-draharaha andavanandro. Mbola nanamafy izany rahateo koa ny tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny kabinetran’ny Fiadidiana ny Fanavaozana fa miato avokoa ny filankevitry ny minisitra fanao isaky ny talata.
10 andro…
Araka ny loharanom-baovao hafa, ao anatin’ny 10 andro no hanendry izay ho Praiminisitra sy mpikambana vaovao handrafitra ny governemanta ny filoha, ny Kly Randrianirina Michaël. Marihina fa nanome roa volana hanaovana tombana ny fomba fiasan’ny governemanta ny filoha taorian’ny nandraisany ny fitantanana ny firenena, ny volana oktobra 2025 lasa teo. Tokony ho tapitra ny volana janoary lasa teo izany, saingy efa-bolana vao vita ny tombana. Andrasana, araka izany, ny fitsanganan’ny governemanta vaovao izay hifantoka hatrany amin’ny mahamaika ny vahoaka malagasy indrindra fa ny fitakiana nataon’ireo mpitolona nandritra ny hetsika teny an-kianja.
Jean Claude




