Fandaharanasa Fanavaozana : Dingana telo lehibe no hatao

Fikaonandoham-pirenena, fanavaozana ny rafi-pifidianana, fandrafetana lalàmpanorenana vaovao ha­rahin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika. Ireo ny dingana telo lehiben’ny tetiandron’ny fan­daha­ranasan’ny Fanavao­zana ny Repoblika. Fanoma­nana sy fanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena mo­mba ny fitantanana fifidianana sy ny rafitra iorenan’ny Re­poblika ny marsa-desambra 2026. Ao anatin’izany ny fakan-kevitra isan’ambaratonga. Hanovana ny rafi-pitantanana ny fifidianana ny jona-novambra 2026. Eo koa ny fanavaozana ny rafi-pitsarana misahana fifidianana sy ny fanitsiana ny lalàm-pifidianana. Fanoratana ny antontan-taratasy nasionaly momba ny torolalana ho amin’ny Fana­vaozana aorian’ny fifanakalozan-kevitry ny samy Malagasy ny desambra 2026-janoary 2027.
Fanavaozana ny lisitry ny mpifidy ny dingana faharoa, desambra 2026-mey 2027. Kendrena amin’izany ny hanadiovana sy hanatsarana ny tahirin-kevitra momba ny mpifidy alohan’ny fifidianana rehe­tra. Fanavaozana ny rafi-pitantanana ny fifidianana ny jona-2026-mey 2027. Anisan’ izany ny fanavaozana ny rafi-pitsarana misahana fifidianana. Eo koa ny fanitsiana ny lalàna mifandraika amin’ny fifidianana sy ny fanavaozana ny lisitry ny mpifidy. Fandra­fetana volavolan-dalàmpanorenan’ny Repoblika V ny janoary-avrily 2027. Hatolotra ny vahoaka amin’ny alalan’ny fanentanana sy fanazavana izany. Dingana farany, fanomanana sy fanatanterahana ny fitsapan-kevi-bahoaka na ny fifidianana lalàmpanorenana ny mey-desambra 2027. Harahin’ny fifidianana filohan’ny Repob­lika sy ny fifidianana eny ifotony araka ny rafitra hofidiana izany. Mety hiova arakaraka ny fivoaran’ny toe-draharaha ny tetiandro.

R. Nd.

Partager sur: