FANTINA sy FINTINA

Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika: tsy nandefa hafatra amin’ny alalan’ny fifandraisan-davitra ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël, ka nampilaza olona fa nahazo vola ho tosika fameno avy aminy. Vaovao tsy marina izany ary melohina tanteraka. Efa am-perinasa ireo sampana ara-pitsarana manao famotorana hahafantarana ireo olona nahavanona ny fisolokiana.

Ny jeneraly Ramasy Razafindratovo Heritiana no notendren’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repobli­kan’i Madagasikara ho mpandrindra ny Vondrona fanarenana ny tanànan’i Toamasina manomboka izao. Izy no hitarika sy hanamafy ny fanaraha-maso ny asa re­hetra amin’ny fanarenana sy fanatsarana ao Toa­ma­sina, taorian’ny fahavaozana noho ny fandalovan’ny rivodoza Fytia sy Gezani.

Natao tao amin’ny Eniap Antsirabe, omaly, ny fikaonandoham-paritry ny Polisim- pirenena, Faritra Vakinankaratra. Nodinihina tamin’izany izay fomba hanatsarana ny asan’ny mpitandro filaminana. Eo koa ny fanamafisana ny fandriampahalemana eny anivon’ny fiarahamonina andavanandro. Nisy ny fakan-kevitra hamolavolana paikady vaovao hahazoan’izy ireo mamaly bebe kokoa ny filan’ny vahoaka sy izay andrasan’ny fanjakana.

Partager sur: