Kabary Malagasy : Dimy taona ny Takalo dinika amorom-patana

Taona 2026, feno dimy taona katroka ny «Takalo dinika amorom-patana», na ilay fizarana fahalalana momba ny tontolon’ny kabary, amin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera « Zoom, fb). Ny foiben’ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy maneran-tany (Fi.Mpi.Ma maneran-tany) no tompon’andraikitra sy mpanatontosa ity hetsika iray ho fampivelarana ny kabary malagasy ity. Fantatra, omaly, araka ny fampitam-baovaon’ny filohan’ny foibe Fi.Mpi.Ma maneran-tany. Azo hiverenana ao anatin’ny «arsiva Fi.Mpi.Ma» avokoa ireo velakevitra sy famakafakana tao anatin’izay 5 taona nisiany izay.
Anisan’izany ny fanambadiana malagasy sy ny tontolo manodidina azy, izay nisy velakevitra 12 isa. Ireo fombafomba amam-panao amin’ny kabary am-panambadiana notanterahina intelo miantoana tamin’ny taona 2020. Tao ihany koa ny fandrika an-kabary notontosaina indroa nandritra ny taona 2021. Ny vodiondry taloha sy ny ankehitriny (taona 2023). Fana­teram-bodiondry, fomba sy tandindona, famakafakana notanterahina intelo tao anatin’ny taona 2025. Ny fanambadiana malagasy, tarazo sy fivoarana tamin’ity taona 2026 ity. An-tsarimihetsika sy amin’ny alalan’ny feo no nandraiketana ireo «arsiva» ireo.
Fantatra fa mitohy hatrany ny fandraisana ny fanontaniana momba ireo famakafakana sy velakevitra ireo, ka ny 15 marsa no hamaliana izany amin’ny fandaharana «Takalo dinika amorom-patana».

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: