Lasa kaominina lavitra andriana no sady tsy misy mpiahy ny kaominina ambanivohitra Anjahamana, anatin’ny distrikan’i Brickaville, faritra Atsinanana. Iray volana izao no nandravaravan’ny rivodoza Gezani ny kaominina maro tato anatin’ny faritra Atsinanana ary anisan’ny lasibatra tamin’izany ihany koa ity kaominina ity.
Ankizilahy 5 taona no maty tototry ny tany tao an-toerana ary tokantrano 500 tsy manan-kialofana. Olona telo hafa naratra ka vehivavy ny iray. Fotodrafitrasa maro simba, toy ny sekoly miisa 10, tetezana 8 tapaka, sns. Tsy misy ny lalana ifamezivezena, tototra ny tanimbary.
“Iray volana izay no lasa, tsy mbola nisy solontenam-panjakana na olona tsara sitrapo nitondra fanampiana tany amin’ny kominina. Koa mangataka ny BNGRC sy izay fikambanana tsara sitrapo fa ahina mafy ho fatin’ny hanohanana ny vahoaka. Ny voly rehetra simba, ny rano tsy mbola midina satria manampy trotraka ny orambe izay mbola mitohy hatramin’izao », hoy i Faustin mponina any an- toeran
Sajo




