Mpivarotra rongony – Anosizato: Olona efatra naiditra am-ponja vonjimaika

Naiditra am-ponja vonjimaika eny amin’ny fonjan’ Antanimora, omaly, ireo olona efatra mianadahy, tratra nivarotra sy nidoroka rongony tetsy Anosizato. Rehefa avy nampiakarina fampanoavana teny anivon’ny fitsarana omaly ihany. Raha tsiahivina, tratra teo am-pifohana rongony teny Antandrokomby Anosizato, ny roa lahy (17 sy 22 taona) tamin’izy ireo.
Nasain’ny zandary nanondro ny toerana fividianany ny zava-mahadomelina fohany, ireo tovolahy tratra ireo taorian’ny fisamborana azy. Tsy nisalasala nanondro ny tranon’ny mpamatsy izany ireto farany. Natao ny fikarohana ary tratra tao amin’ny tokantrano iray eny Antandrokomby ihany ny mpamatsy ireo zava-mahadomelina ireo. Vehivavy roa 25 taona no mivelona sy manao asa maloto io, nandritra ny fikarohana nataon’ny zandary. Fantatra nandritra izany, fa tovolahy tsy an’asa sy mpanao asa ratsy avokoa ny manjifa ireo zava-mahadomelina hamidin’izy ireo. Ankoatra izay, mbola nahitana rongony miisa 45 milanja 200 grama tao an-tranon’ireo vehivavy ireo.
Tsiahivina fa antony iray mahatonga ny asa ratsy amin’ny endriny rehetra ny fidorohana sy fifohana itony rongony itony. Izany no antony hamongoran’ny mpitandro filaminana ny mpidoroka azy. Nisy olona tsara sitrapo nampandre ny zava-misy teo anivon’ny zandarimaria miasa ao amin’ny zana-tobim-paritra Anosizato ka nahamora ny fisamborana azy ireo.

Mino

Partager sur: