TARATRY ny KANTO

Nisokatra omaly ny Ranty santatra «Premières traces… femmes visibles», an’i Nary Arthur. Fampirantiana ireo sanganasany manodidina ny vehivavy sy ny tontolony izy ity, ao amin’ny Ivokolo Lovasoa Antsirabe. Hosodoko miavaka, notsoingaina manokana hifanaraka amin’ny lohahevitra no hatolotr’i Nary Arthur, hatramin’ny 17 avrily izao. Hisy ny atrikasa izay hotarihina ho an’ireo liana, manomboka ny
13 avrily, manodidina ny hosodoko hatrany.

26 avrily 2026 aty Antananarivo. Io ny fotoana homen’i Babai Lugu ny mpankafy ny mozikany aty an-tanindrazana. Efa ela ny naniriany indray hizara ny nofinofiny sy ny vokatr’izany ho an’ireo mpanaraka ny kanto hataony, rehefa tsy hita an-tsehatra taona vitsivitsy izay, noho izy monina any ivelany. Tsiahivina fa ny tarika Alàlà ihany no niofo ho Babai Lugu, izay efa manana hira maro malaza toa ny «Vero», «Andro marary», sy ireo anatin’ny rakikirany farany «Altern’Antsiva».

Ho avy ny fitetezam-pirenena ho an’i D-Lain sy ny tariny. Anisan’ny vaovao lehibe nambaran’ity mpanakanto ity ho an’ireo mpankafy azy any ivelany io. France, Canada, Allemagne ary USA aloha hatreto no anatin’ny vinavina ho an’ity taona ity. Mpandra-pivoakan’ny daty ofisialy, mitohy ihany koa ny fitetezam-paritra sy ny seho isan-karazany, na anaty efitrano na an-kalamanjana hataon’i D-Lain.

Partager sur: