Tenisy : Hiatrika lalao iraisam-pirenena 11

Feno tanteraka ny fandaharam-potoana ho an’ny Fe­derasionina malagasin’ny tennis (FMT) ho an’ity taom-pilalaovana 2026 ity. Ankoatra ny fifaninanana eto an-toerana, miisa 11 ireo fihaonana iraisam-pirenena hatrehina. Tafi­ditra ao anatin’izany ny fampiantranoana ny “ITF J30”, sokajy junior. Hotanterahina ny 29 septambra – 3 oktobra ny dingana voalohany, ny 6 – 10 oktobra kosa ny faharoa. Mialoha izany, hanokatra azy ny fiatrehana ny “AJC U18”, hatao any Le Caire, Egypte, ny 23 – 27 marsa ho avy izao. Any an-toerana hatrany ny “AJCCC U14”, ny 6 – 11 avrily ary ny “AJC U16” izay mbola tsy voafaritra ny toerana. Ny 4 – 10 mey ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika U14, andrasana ihany koa ny firenena handray izany. Eo koa ny fiadiana ny ho tompondaka aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika, isan-tarika U12, hatao ny 29 jona – 5 jolay. Ny 13 – 19 jolay ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika isan-tarika U16. Ankoatra izay, ny “AJCHC U14”, izay hotanterahina ny 14 – 20 aogositra ary ny “Masters africains” U14, ny 21 – 27 aogositra. Ny 28 septambra – 4 oktobra ny famaranana ny isan-tarika U12.

Tompondaka

Partager sur: