Toekarena manga : Vonona hanolo-tanana antsika ny Japoney

Hizara traikefa mahakasika ny jono maharitra ho an’ireo Malagasy teknisianina indray ny japoney, entina hanampiana amin’ny fitantanana ny harena an-dranomasina aty amin’ny ranomasimbe Indianina. Nivoitra izany nandritra ny fihaonan’ny masoivohon’ny firenena japoney miasa eto Madagasikara, i Hitoshi Tojima, sy ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga, i Chan Kit Waye Jaco, teny Ampandrianomby. Tanjona ny hanohizana ny fiaraha-miasa ho an’ny tombontsoan’ny roa tonta. Marihina fa anisan’ny manome tantsoroka an’i Madagasikara hatramin’izay ity firenena ity. Miantso ny hanohanan’izy ireo ihany koa ny minisitera hanatanterahana ny tetikasa hampiroboroboana ny fiompiana trondro, indrindra amin’ny famokarana tilapia sy karazan-trondro an-dranomamy hatrany amin’ny 50 000 taonina. Tanjona ny hanohanana ny famoronana asa hiadina amin’ny tsy fanjarian-tsakafo eto Madagasikara. Marihina fa mamelona tokantrano an’arivony ny sehatry ny jono izay fanoitra amin’ny fampandrosoana ny toekarena.

Henintsoa

Partager sur: