Fantatra omaly fa efa nalefa any amin’ny mpilalao tsirairay avy ny taratasy fampiantsoana azy ireo amin’ny fanatevenana ny ekipam-pirenena Barea. Hiatrika ny lalao ara-pirahalahiana izy ireo amin’ity volana ity.
Araka ny filazan’ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), omaly, dia efa nahazo ny taratasy fampiantsoana azy avokoa ireo mpilalao voaantso handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy. Hiatrika ny lalao ara-pirahalahiana, mandritra ny “Fenêtre Fifa”, any Antalya, Torkia, ireo mpilalao nantsoin’ny mpanazatra Corentin Martins ireo.
Raha tsy misy ny fiovana farany, hotontosaina ny 27 marsa ho avy izao ny fifandonan’ny Malagasy mpilalao amin’i Kirghizistan. Hifampitana amin’i Oganda kosa izy ireo ny 31 marsa. Hatreto, tsy mbola nivoaka tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny pejin’ny Federasionina izany. Mbola andrasana fatratra ihany koa ny lisitr’ireo mpilalao handrafitra ny delegasionina.
Ankoatra izay, nilaza io mpampita vaovao io fa misy mpilalao mifanintsana avy eto an-toerana maro hantsoina hanatevina ny Barea amin’ity volana ity.
Maro ny avy eto an-toerana …
Raha ny fanadihadiana natao omaly, eo amin’ny 40 mirahalahy no nantsoin’i Corentin Martins. Ahitana mpilalao vaovao vitsivitsy, saingy tsy mbola fantatra ny anaran’izy ireo. Maro amin’ireo avy eto an-toerana ihany koa no handrafitra ny Barea amin’ity, saingy mbola andrasana hatrany ny fivoahan’izany amin’ny fomba ofisialy. Hanomboka ny 23 marsa ny fampivondronana ny ekipam-pirenena.
F.R




