Tsy ho ela ny fivoriana tsy ara-potoanan’ny Antenimierampirenena, araka ny nambaran’ny filohany, Randrianasoloniaiko Siteny, omaly, teny Tsimbazaza. « Efa voafaritry ny Lalàmpanorenana fa anjaran’izy ireo ny manolotra ny praiminisitra. Efa misy ny vondrona parlemantera maro anisa eny Tsimbazaza hanolotra izany », hoy izy.
Mitaky ny hamerenana ny fifidianana depiote farany teo ny kandidà Raholinarivo Paolo. Nambarany fa nitory teny anivon’ny Ceni sy ny HCC koa izy ireo. Nohitsiny fa nanaovana resaky ny moana sy marenina izy ireo. « Izahay matoky fa handresy raha haverina ny fifidianana. Maro ireo olona nanaraka anay tamin’izany », hoy izy.
Nofoanan’ny Gen Y-Z ny fikasan’izy ireo hanao hetsika eny amin’ny Antenimierampirenena, omaly, ka hanaterana taratasy fangatahana fandravana ny governemanta. « Namaly ny fitakianay ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika ka najanonay izany fikasanay izany », hoy izy ireo.
Tsy nitsitsy fitenenana ny filohan’ny antoko Tia tanindrazana, Razafinjoelina Tahina. Nambarany fa hahantra eto foana isika rehefa tsy manara-dalàna. « Andao beazina sy hampiharina tsikelikely ny lalàna ho an’ ny rehetra fa tsy hilanja sorabaventy vao misy tsy mety kely amin’ireo mpandika lalàna. Mihemotra ny mpitondra avy eo », hoy izy.




