Fifehezana areti-mifindra: Tomponandraikitra 30 niofana

Olona 30 nampiofanina ho lasa mpampiofana, hampihenana ny ambana mety hampiparitaka ny areti-mifindra, eto Madagasikara sy ivelan’ny sisintanin’i Etazonia, anisan’izany ny Mpox na nendran-drajako.
Manofana ireo Malagasy manam-pahaizana momba ny fiarovana amin’ny otrikaretina sy akora biolojika anaty laboratoara, araka izany ity firenena ity.
“Ny fisian’ny rafitra laboratoara matanjaka eto Madaga­sikara no hiaro ireo fianakaviana malagasy sy amerikanina. Tsy voasakan’ny sisintany ny valanaretina ka rehefa afaka mitsirika haingana sy mifehy ny ambana ara-pahasalamana eto aminy i Madagasikara, dia azo antoka ny filaminantsika rehetra”, hoy Steve Bremner, lefitra mpisolo toeran’ny lehiben’ ny Misiona amerikanina.
Ao anatin’ny tetikasa “Strides” hanompanana vola an-tapitrisany dolara no hahafahana manatanteraka izany. Fam­piasam-bola izay manamafy ny fizakan-tenan’i Madagasikara. Ireo manam-pahaizana nahazo fiofanana dia ho afaka hahavita tena hampandeha ireo laboratoara anaty fenitra iraisam-pirenena ka hampihena ny fiankinandoha amin’ny fanampiana ara-teknika avy any ivelany.

Tatiana A

Partager sur: