Ho fanomezan-danja ny vehivavy: Mampiantrano fivoriana iraisam-pirenena i Madagasikara

Natomboka omaly, teny Ambodivona, ny fivoriana andraisan’ny firenena aty Afrika anjara hitondra amin’ny rariny ara-tsosialy manome lanja ny vehivavy. Manana solontena ao anatin’ny hetsika ny vehivavy mpitondra fivavahana, mpikatroka, mpisehatra amin’ny firaisamonimpirenena.

Tafiditra amin’ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena momba ny zon’ny vehivavy ny hetsika atao. Tanjona ny hanome lanja politika sy sosialy izany fa tsy hihanona amin’ny fan­kalazana mahazatra fotsiny. Matetika ny zon’ny vehivavy dia mbola voafehin’ny lalàna manindraindra ny lehilahy ka tsy voaresaka ny mahakasika ny vatan’ny vehivavy, ny zo hi­safidy ny zo sy fahasala­mana ara-pananahany. “Aty Afrika sy aty amin’ny ranomasina In­dianina, lohahevitra tsy iadian-kevitra ireo ka aroso ho antony ny kolontsaina sy ny finoana izay vao mainka manamafy ny fanilikilihana ka manome vahana ny tsy fanajana ny zon’ny vehivavy. Izany no ni­karakarana ity fivoriana ho an’ny rariny sosialy manome lanja ny vehivavy ity”, hoy ny mpanorina ny hetsika Nifina­kanga, mpikarakara ny fivoriana eto Madagasikara. Sehatra ahafahana mifanakalo traikefa sy miady hevitra hampandroso ny ady ho an’ny zon’ny vehivavy izy io. Ny rariny sosialy manome lanja ny vehivavy dia rariny miaro ny lehilahy sy ny vehivavy ihany koa. Mandritra ny hateloana, hitodika amin’ny lohahevitra “manana finoana aho ary manana safidy amin’ ny vatako sy ny fiainana ara- pananahako” ny adihevitra.
12 ireo mpitarika fivavahana, mpitana ny fomban-drazana avy eto Madagasikara, Ouganda, Repoblika Demokratikan’i Congo, Senegal ary Maorisy mandray anjara. Hivoatra ao anatin’ny hetsika ny fametrahana tambajotran’ny mpisolovava 20 eo ho eo ho fiarovana ny zo sy ny fahasalamana ara-pananahana.

Vonjy

Partager sur: