INDRAY MIJERY

Namaly ny antson’ny firenena malagasy ny governemanta Indianina. Nanome fanampiana milanja 30 taonina, ahitana lay, sakafo, lamba firakotra… izy ireo. Ny faritra Atsinanana no hisitraka izany voalo­hany. Hahazo ny anjarany koa ireo traboina vokatry ny rivodoza Fytia amin’ireo fanampiana mbola hanampy ny efa tonga.

Ny BNGRC no mandrindra ny fanampiana rehetra omen’ireo firenena ary midina avy hatrany any Toamasina izany. Firenena Indianina, Frantsay, Suisse, Rosianina, Luxembourg… samy efa nandefa ny fanampiana avokoa. Tao ny nanome angidimby sy fiarabe, tao ny nandefa miaramila hamaha ny olana maro, tao ireo namaha ny olana tamin’ny fifandraisan-davitra…

Toerana maro indray no miverina tapaka rano amin’izao fotoana raha nandeha hatrany izany nandritra ny fotana nisian’ny orana. Mitaraina ny mponina eny Ambohibao sy ny manodidina izay efa ho roa herinandro izao tsy nisy rano mandeha.

Partager sur: