Latsaka tany ambany tetezana ny kamiao mpitatitra entana iray, tany amin’ny lalam-pirenena fahadimy, ny alin’ny alatsinainy teo. Mpandeha telo namoy ny ainy ary roa hafa naratra.
Nivarina tany ambany tetezana, tao Marovato, lalana mampitohy ny kaominina Ambodiriana sy Antetezambaro, disitrikan’i Toamasina II, faritra Atsinanana, ny kamiao lehibe iray mpitatitra entana, ny alin’ny alatsinainy teo. Kamiao nitondra vary avy any Toamasina ary hihazo an’Ivoloina ity niharan-doza ity, tokony ho tamin’ny 9 ora alina. Nizotra soa aman-tsara hatrany ny dia, saingy tra-doza tampoka rehefa nandalo ny tetezan’i Marovato. Somary nalama noho ny fisian’ny orana tany an-toerana ny tetezana. Nikorisa moramora nivoaka tamin’ny lalana io kamiao io. Nibolisatra ny kodiaran’io fiara be io, ary avy eo latsaka tany amin’ny hantsana ny fiara.
Vokany, olona telo tao anaty kamiao maty tsy tra-drano. Maty voatsindrin’ny gony feno vary ny iray. Namoy ny ainy voatsindrin’ny fiara kosa ny roa hafa, araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana. Olona roa hafa naratra ary efa nentina notsaboina any amin’ny hopitaly. Tonga teny an-toerana nitrangan’ny loza ny mpitandro filaminana sy ny mpamonjy voina. Nanampy tamin’ny fisokirana ny olona voatsindry tao anaty fiara. Nalama ny lalana ka nisosa ny fiara, nahatonga ny loza, raha ny fanazavana voaray avy any an-toerana.
Lalan-dratsy
Ankoatra ny lalana malama, mampitaraina ny mpamily sy ireo mpandeha ary ny tompona fiara ny haratsian-dalana eny anivon’ny lalam-pirenena sasany. Amin’ny ankapobeny, mahatonga lozam-pifamoivoizana matetika izany ary miafara amin’ny fahamoizan’aina olona maro.
Mbola tsy tapitra tanteraka ny fotoan’ny orana, entanina hatrany ny mpamily mba tsy andeha mafy, indrindra eny amin’ny tetezana, mba hialana amin’ny filatsahan’ny fiara any anaty hantsana. Matetika ahitana trangana kamiao latsaka foana eny ambony tetezana.
Mino / Sajo




