« Tic-tac,tic-tac… », hoy ny feon’ny famantaranora izay, rehefa mba ilaina manenoneno izy fa misy tranga na vaninandro lehibe andrasana izay. Mahasasa-miandry mihitsy ny fihodin’ny « Lera », rehefa mba anisan’ilay manantenantena raha manjary iny ny tena. Midobodoboka manaraka ny fihodin’ny fanjaitra ny fo. Mangitangitaka izany ny fanahy.
Inona no tian-kambara! Efa misahotakotaka izay tsy izy indray atsy ny mpitady seza. Ny te ho etsy amin’ny Lapan’ny Tanànan’Analakely, efa miandry vava latsaka amin’ny fanendrena. Ny ho eny Iavoloha efa samy mampiasa izay azo ampiasaina amin’ny fanohanana sy fandresen-dahatra. Samy mampiasa izay azo ampiasaina. Ny hoe amin’ny minisitera isan-tsokajiny aloha tena tsy hita izay hanambarana azy. Ady sisika sy fifandresen-dahatra andaniny, efa fifanimbana sy fifanaratsiana, ankilany.
Vanim-potoana tokoa aloha izao mba hitsapatsapana vintana sy hitsapana hatraiza ilay fanavaozana. Antony iray nitolomana tokoa ny fialana amin’ny kiantranoantrano sy ny kolikoly any anaty fizarana andraikitra. Rangory fototry ny afo hatrizay ny fividiana seza hany ka baikoin’ny vola. Toy ny fandraharahana sy fampiasam-bola, tsy maintsy mamerina ny lany dia mikatsaka tombony. Tsy laharam-pahamehana ny tombontsoan’ny besinimaro.
Eto no hitsapana, hatraiza ny herin’ny Filoham-panjakana sy ireto be kintana ary be bokotra dimy lahy be izao ireto. Hatraiza ny fahefan’izy ireo manoloana ny karazan-tsindry sy teritery amin’ny fakan-tseza. Ny avy any ivelany efa mametraka mazava ny zotra. Ny eto an-toerana mifanjevo tsy hay hoe ahoana. Samy hotsarain’ny tantara eto avokoa izay be vinany. Io rahateo ny hoe ny tody tsy misy fa izay natao ihany no miverina raha vao diso famindra.
r.r




