TARATRY ny KANTO

« Sôvan’jazz », eny amin’ny La Garage Antsahavola. Fiarahana hafa indray ity hiseho ny zoma izao ity, manomboka amin’ny 8 ora alina. Fampia­rahana talentan’ireo tanora mpanakanto samy manana ny maha izy azy : Tsanta Randriamihajasoa eo amin’ny vata maroafitsoka sy ny trompetra, Tonny Toufa Loux eo amin’ny zavamaneno ravaka, Sandratra Andria eo amin’ny amponga maroanaka ary i Harty Andriambelo eo amin’ny gitara beso.
Hiverina i DJ Dina ! Ny vaovao nomeny aloha dia ny fihaonana ny 27 marsa, eto Antananarivo. Tsy mbola fantatra kosa ny toerana, fa ny azo antoka dia fanembonana ny tany ambadiky ny 25 sy 30 taona lasa, ho an’ireo tanora tamin’izany. Nanamarika ireo toeram-pandihizana nalaza, toa ny Caveau, CCL, Cohiba, sns, mantsy ity mpikosoka kapila sy mpikarakara hetsika ity. Nifindra monina tany France izy taty aoriana.
Ho vahinin’ny Olombelo Ricky i Babai Lugu sy ny tariny. Mandritra ny seho izay hotontosaina ny 11 avrily izao, ao amin’ny Hôtel des thermes Antsirabe, io. Manantena ihany koa ireo mpankafy eto fa anisan’ireo handray anjara amin’ilay seho goavambe, hataon’ny Olombelo Ricky ao amin’ny Coliseum, ny 19 avrily izy ireo. Ny Babai Lugu izay efa manomana seho azy manokana koa ny 26 avrily izao.

Partager sur: