Ambinitsoarivelo Jean Herley: Lany ho filohan’ny Federasionin’ ny tenisy ambony latabatra

Mbola i Ambinitsoarivelo Jean Herley indray no voafidy hitantana ny Federasionina malagasin’ny tenisy ambony latabatra (FMTT), mandritra ny efa-taona manaraka. Marihina fa ity no fe-potoam-piasana fahadimy hitondrany ny FMTT.

Notontosaina omaly, tao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahamasina, ny fifidianana ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny taranja Tenisy ambony latabatra. Lany tao anatin’ny tehaka maredona avy amin’ireo ligy, hitondra izany mandritra ny efa-taona manaraka indray ny filoha Ambinitsoarivelo Jean Herley.
Marihina fa izy irery no kandidà, tokana, nirotsaka hofidina tamin’ity fivoriambe ara-potoanana ity.
Nilaza ity filohan’ny FMTT ity fa efa misy ny tetikasa goavana hiarahana amin’ny Arabia Saodita, hanamboarana kianja mitafo iray natokana ho an’ity taranja ity sy ny Badminton ary ny Padel, any Nosy Be Hell Ville. Tsy izany ihany fa hanamboatra Kianja mitafo iray ho an’ny taranja tenisy ambony latabatra koa ny Federasionina avy ao Qatar. Raha tsy misy ny fiovana farany, mety any amin’ny taona 2027 no vita ity tetikasa goavana ho an’ny taranja tenisy ambony latabatra ity. Notsiahiviny fa anisan’ny olana tena mbola tsy ahafahan’ny Malagasy misondrotra ambony io resaka fotodrafitrasa io.
Ankoatra izay, fifanintsanana iraisam-pirenena maro no miandry ny Malagasy. Anisan’izany ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany hotanterahina any Angleterre sy ny fifanintsanana ho an’ireo firenena aty Atsinanan’i Afrika. Marihina fa hatao any Mahajanga, ny faran’ny volana aogositra ho avy izao, ny fifaninanana nasionaly, amin’ity taona ity.
Tsara ny mampahatsiahy fa anisan’ireo taranja niatrika ny lalao olympika ho an’ny Malagasy ny tenisy ambony latabatra.

F.R

Partager sur: