Baolina Kitra : Mampita mivantana ny PFL ny StarTimes

Mitohy ny fiaraha-miasan’ny vondrona StarTimes sy ny CFEM amin’ny fandefasana manontolo ny lalao baolina kitra « Play Football League (PFL) », ho an’ny taom-pilalaovana 2025-2026. Lalao hifaninanan’ireo klioba sangany eto amintsika ny PFL, hamantarana ny mpandresy, ho tompondaka nasionaly arahina amin’ny televizionina StarTimes.
Mandeha mivantana isaky ny faran’ny herinandro ny lalao, amin’ny sokajim-pandaharana GasyStar (DTT 108/DTH 788). Mandeha tsy mivantana kosa ny lalao roa hafa, ahafahan’ny mpanohana ny klioba manaraka ny fifaninanana araka ny tokony ho izy.
Manampy ireo, misy fandaharana hafa avoakan’ny StarTimes koa hanomezan-danja ny baolina kitra, manodidina ny PFL sy ny lalao eto an-toerana. Toy ny PFL Show, ny Une Deux ary ny J-1, mandeha amin’ny GasyStar.
Nilaza ny tomponandraikitry ny StarTimes fa eo anilan’ny Malagasy mpankafy baolina kitra hatrany izy ireo, izay iaraha-mahalala fa taranja be mpankafy indrindra eto Madagasikara. Ahafahana mahita ny fandaharana GasyStar, ny StarTimes On, miditra ao amin’ny Google Play Store, azo jerena amin’ny finday « smartphone », ho an’ireo tsy mbola manana « décodeur », ka andoavana sarany.

Tompondaka

Partager sur: