Basikety -Tanà Ville : Hangotraka ny famaranana eo amin’ny N1B

Hotanterahina ny faran’ny herinandro izao, eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny lalao famaranana eo amin’ny sokajy N1B amin’ny fifaninanana eo anivon’ny seksionina Antananarivo Renivohitra, taranja basikety, taona 2026. Hangotraka ny lalao amin’io fotoana io satria klioba samy manana ny maha izy azy no hifanandrina. Ahitana ny ACA sy ny Lucadro, eo amin’ny sokajy vehivavy. Ny JCBA sy ny NBE kosa no eo amin’ny sokajy lehilahy. Nambaran’ny filohan’ny seksiona ny basikety Antananarivo Renivohitra, Jean Felix, fa tena nivoatra ny lentan’ny fifaninanana tamin’ity taona 2026 ity. Klioba samihafa daholo no miatrika ny fifaninanana eo amin’ny sokajy lahy sy vavy, izay midika fa samy nanomana sy ny manana haavo teknika ambony daholo ny klioba nandray anjara tamin’ity taona ity. Porofon’izany ihany koa, hoy izy, ny tsy dia nisian’ny elanelan’isa teo amin’ny samy mpifanandrina. Izany hoe, mifandanja tsara ny fifanandrinana eo amin’ny klioba roa. Ankoatra ny N1B, mizotra tsara avokoa ny fifaninanana rehetra eo anivon’ny seksiona Antananarivo Renivohitra, amin’ny sokajy hafa. Misy ihany koa ilay fifaninanana “Sport scolaire” izay efa handeha tsy ho ela ny fanomanana izany.

Mi.Raz

Partager sur: