Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny alatsinainy teo ny trano vaovao eo anivon’ny kolejy Jules Verne, Antsirabe. Nambaran’ny tomponandraikitra mpitantana fa natao ity «Pôle culturel et sportif» ity mba hanatsarana ny fiainan’ny mpianatra sy hanampy azy ireo ho amin’ny fanatsarana ny fianarany. «Toerana manan-danja eo amin’ny fiainana ara-kolontsaina sy fanabeazana eto amin’ny sekoly izy ity», hoy izy ireo. Ahitana toerana fanaovana fanatanjahantena miaraka amin’ny efitra fisoloana akanjo eo amin’ny rihana ambany. Ny « Centre de documentation et d’information – CDI » maoderina no ao ambony, natokana ho an’ny famakiana boky sy fikarohana.
Nomena voninahitra manokana tamin’izao koa ny vehivavy, amin’ny alalan’ny fampirantiana roa. Eo ny fanehoan’ny mpianatra ny momba ireo vehivavy nanana ny maha izy azy. Nanao izany ireo kilasy madinika ka hatramin’ny fahatelo. Anisan’izany ny sarin’ilay mpanoratra sy slameuse malagasy, Na Hassi, tonga nanatrika ny lanonana.
Nampitondraina ny lohateny hoe «Femmes, audace, héritage : portraits» kosa ny fampirantiana iray. Niarahan’ ny «Musée de la Photographie de Tananarive» sy ny faritra Île-de-France nanatanteraka. Mampiseho ireo vehivavy 11, nanana anjara toerana teo amin’ny tantaran’i Madagasikara, izany. Hisokatra maimaimpoana ho an’ny rehetra izao fampirantiana izao hatramin’ny volana jona.
Tsiahivina fa nofaranana tamin’ny fanokafana ny takelaka fahatsiarovana sy ny seho nataon’ny mpianatra ny lanonana.
Synèse R.




