Vonona ny hametra-pialana ny filohan’ny Antenimiera, Randrianasoloniaiko Siteny, raha manana porofo ny Kly Rakotomamonjy Patrick, araka ny nambarany, omaly. Anisan’ny voatonona ao anatin’ny horonantsary ho manao kolikoly ity lehiben’ity Andrimpanjakana ity. «Tsy rariny ny fanaparitahana tsaho sy manimba olona», hoy izy.
Nametraka masontsivana sy fepetra amin’ireo ho mpikamban’ny governemanta ny Gen Z. Nambaran’izy ireo fa tokony hanana fahaiza-manao sy madio tanana ary manaja ny mangarahara izany. «Tsy voasaringotra amin’ny kolikoly ary akaiky vahoaka. Mahalala ny filan’ny tanora indrindra amin’ny sehatry ny asa sy ny fanabeazana», hoy izy ireo.
Tokony ho olona mahalala ny hetaheta notakina teny an-kianja ny praiminisitra, hatolotry ny Antenimierampirenena, araka ny nambaran’ny «Nouvelle génération politique – NGPM», tetsy Antaninarenina, omaly. Nohitsin’izy ireo fa tsy tokony hanendry ny atolotry ny Antenimiera ny filoha raha tsy feno ireo fepetra ireo.
Tsy azo antoka amin’ny famerenana ny fifidianana ny Ceni ka tokony ho ravana, araka ny nambaran’ny fikambanana Za gasy. Nohitsiny fa ara-dalàna sy mamaly ny fitakiana teny an-kianja ny fanafoanana ny vaton’ny kandidà Ramanantsoa Harilala, tamin’ny fifidianana ben’ny Tanàna. «Tokony harodana aloha ny Ceni satria anisan’ny forongony», hoy izy ireo.




