Notolorana mari-pankasitrahana, omaly, tetsy Ambatoroka, ireo 14 mianadahy, izay nahitana lahy tokana. Nanaraka fiofanana momba ny tontolon’ny zaitra, nandritra ny telo volana teo anivon’ny atelier tantanin’ny Wednesday Morning Group (WMG) izy ireo.
“Nampitondraina ny anarana Lafatra ny andiany navoaka. Niavaka ito andiany ito satria tsy niofana momba ny tontolon’ny zaitra fotsiny fa nianatra momba ny crochet sy ny informatique digital», hoy i Tsiranana Fiona, filohan’ny fikambanana Wednesday Morning Group. Nambarany fa tsy vitan’ny fahaizana manjaitra ihany ny fampizakan-tenan’ny vehivavy fa ilaina ihany koa ny fahaizana informatika. Amin’izao fotoana izao, efa mivoatra be ny teknolojia. «Anisan’ny manampy ireo vehivavy amin’ny sehatry ny asa ihany koa ny fahaizana mampiasa sy mahafehy ny ordinatera», hoy hatrany izy. Amin’ny ankapobeny, Fampiofanana fototra no ampianarina ireo mpianatra.
Efa maro ireo nahita asa
Andiany fahadimy teo anivon’ny fikambanana ity nivoaka omaly ity. Efa maro ireo vehivavy efa nahita asa any amin’ny orinasa tsy miankina, efa nisy nanokatra orinasa kely ho azy ihany koa. Nisy koa ny efa lasa niasa any amin’ny Nosy Maurice. Amin’ny ankapobeny, misy tamin’ireo vehivavy efa nahavita fiofanana teo anivon’ny fikambanana no manohy manao «formation de perfectionnement» eny an-toerana. Tanjona ny hanamafisana ny fahaizana sy ny fahalalana eo amin’ny sehatry ny asa fanjairana. Efa manomboka ahitana lehilahy mianatra ihany koa fa tsy mijanona ho an’ny vehivavy ihany. Fepetra takina amin’ny mpianatra ny fahaizana manao kajy, mampiasa fitsipika, mahay manoratra ary mamaky teny. Mifototra amin’ny matematika avokoa ny ankamaroan’ny fampianarana ampitaina ka antony ilana izany. Nanomboka omaly kosa ny fiofanana ho an’ireo vehivavy ao amin’ny andiany “Meva”. Ahitana vehivavy 20 isa.
Mino




