Miantso sy mitaky ny handraisana andraikitra malaky manoloana ny fahabangan-toerana eto amin’ny firenena sy ny renivohitra ny eo anivon’ny antoko Tim. Nifamory teny Faravohitra izy ireo, omaly.
Anisan’ny niatrika izany ireo solombavambahoaka sy ny mpanolotsain’ny tanànan’Antananarivo ary koa ny birao politikan’ny antoko. Nambaran’ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana Marc, fa tsy azo ivalozana ny didy navoakan’ny filankevim-panjakana manoloana ny voka-pifidianana ben’ny Tanàna farany teo, eto an-dRenivohitra. Notsindriny fa tsy maintsy miteny ny tenany noho ny fahatsapana fa miavaka sy manana sata manokana Antananarivo. Tsy tokony havela gaboraraka, tsy misy mpitantana tahaka izao ny eto, araka ny nambarany. «Misy mitaona ny entan’ny kaominina ny sasany amin’ny andro alina na koa vao maraina be noho ny tsy fisian’ny mpitantana. Mizotra mankany amin’ny gaboraraka tanteraka. Tsy misy mpitantanana intsony ao», hoy izy.
Gaboraraka sy baranahiny
Tsy mifanalavitra amin’izany koa ny nambarany taorian’ny faharavan’ny governemanta. Tsy misy praiminisitra sy ireo mpikambana miaraka aminy izao ny firenena. Nohitsiny fa ilana tompon’andraikitra ny fitantanana ny firenena sy ny CUA mba tsy ho any amin’ny gaboraraka sy baranahiny. «Tsy misy mandeha amin’ny laonina izany eto fa mifampijerijery eto isika ka tokony hotendrena haingana ny praiminisitra sy ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta. Mino izahay fa mahalala ny tokony hatao ireo mpitondra sy tomponandraikitra», hoy izy.
Namaranany izany ny fanentanana amin’ny fambolen-kazo ataon’ny Tim ny sabotsy izao, eny Vontovorona. Efa fanaon’ny antoko isan-taona izany sady fanehoana fiaraha-mientana sy firaisankina ary fitiavan-tanindrazana, araka ny nambarany hatrany.
Synèse R.




