Mandrodana indray !

 

Tokony ho efa hivoaka anio ny anaran’izay ho Praiminisitra faharoa amin’ity fitondran’ny Fanavaozana ny Repoblika ity. 48 ora no heno fa hanoloana an-dRajaonarivelo Herintsalama, asa izay ho fahamarinany ? Misy koa anefa ny vaovao niely fa 10 andro no handaminana ny zava-drehetra. Samy miandry am-pitoniana, araka izany. Samy manana, efa manana ny paikadiny sy ady sisikany ny rehetra.
Ny ao anatiny mangady ny hiakatra laharam-boninahitra. Ny leoleo toerana te hiova andraikitra. Samy mampiasa ny fahefana ananany mba hanatrarana izay tanjona iriany manokana. Tsy mahagaga, raha samy mpiray aina aza misy ny mifamingana sy mifamotika mihitsy. Ny laharana voalohany sy ny faharoa any anaty minisitera, miampy ny tale jeneraly sasantsany no mifampihantsy.
Ny avy ety ivelany aloha dia efa mifanitsa-kitro. Mitady hirika ny hidirana an-dapa. Ny te haka seza maka seza, ny mpanohana te hanolotra olona manolotra olona. Efa mifanaretsaka ny eny Tsimbazaza, mitady sonia amin’ny taratasy fanolorana. Fomba fanao, heverin’ny besinimaro fa tsy misy maharatsy azy. Izay anefa no fotsitra tena mampirongatra ny kolikoly sy ny fizarana diso ny seza.
Raha tena manam-piniavana marina ny tompon’ny teny farany, hanavao sy hanadio, dia tokony ho malina manoloana io fanao mamoehatra io. Mba tena ilay masontsivana takin’ny toerana no homen-danja. Marina fa politika no atao, manana ny anjara toerany ny mpanao politika. Tsy hanerena ny mpitondra amin’izay tiany homen-tseza anefa izany. Tokony ho malalaka izy.
Andrasana, araka izany, ny ho fivoaran’ny fametrahana ny ekipa mpanatanteraka. Ny lalao efa tsy maintsy mandeha, ny vahoaka mpitsara koa efa sasa-miandry.

r.r

Partager sur: