Zava-doza indray no nafitsoky ny olon-dratsy, omaly maraina, tao Beadabo, Mahabo. Olona iray namoy ny ainy, fito naratra vokatry ny fanafihana nataon’ny jiolahy miisa 70.
Notafihan’ny jiolahy manodidina ny 70 ny fokontany Beadabo, kaominina ambanivohitra Mahabo, distrikan’i Betroka, omaly maraina, tokony ho tamin’ny 2 ora tany ho any. Efa niandry ny olona hivoaka tao an-tanàna ireo dahalo marobe. Olona iray maty, fito hafa naratra, omby manodidina 46 isa voaroba, nandritra ny fifanjevoana. « Tonga maraina be tao an-tanàna ireo dahalo ireo. Efa niomana sy niandry ny olona hamoha varavarana izy ireo ary nitifitra avy hatrany ka nahatonga ireo olona naratra sy nisy namoy ny ainy », hoy ny fanazavan’ny zandarimariam-pirenena any amin’ny zana-tobim-paritra Mahabo.
Tamin’ny 11 ora atoandro vao nahazo antso avy amin’ny sefo fokontany Beadabo, ny lehiben’ny zandary miasa miasa any an-toerana. Tsy misy « réseau » any an-toerana ka sarotra ny nahazahoana ireo mpitandro filaminana, raha ny fanazavana voaray avy any an-toerana. Nivory niaraka ny andri-masom-pokonolona sy ny mpitandro filaminana miisa 12 tany an-toerana taorian’ny antso. Natao ny fanarahan-dia saingy lasa nizotra nankany Ananarera, kaominina ambanivohitra Bekorombo, akaikin’ny Berotsy, avaratra atsinanana Soanala, ireo jiolahy niaraka tamin’ireo omby. Raha ny fanazavana voarain’ny zandary avy amin’ny sefo fokontany, dahalo avy any amin’ny Berotsy, kaominina ambanivohitra Soanala, ireo tonga nanafika ireo.
Adin’ny samy dahalo
Anisan’ny toerana iray mahatonga ny fahafatesana sy faharatrana miaramila sy zandary any Berotsy, raha ny fanazavana voaray. Ankoatra izay, efa misy fifanandrinana eo amin’ny mponina ao Beadabo ihany koa ny avy any Berotsy. Araka ny tantara, olona miady ao Berotsy dia lasa mitsoaka ao Beadabo. Tonga nitady ireo olona tany Beadabo ny mponina tany Berotsy ka nahatonga fifandonana mahery vaika tany an-toerana tamin’izany. Raha ny fandinihana ny zava-misy any an-toerana, ady eo amin’ny samy dahalo ny tena anton’izao fanafihana izao, raha ny fanazavana voaray hatrany. Marihina fa tsy nisy olona nalain’ireo dahalo an-keriny tamin’ity tranga ity fa omby ihany no lasany.
Efa manampy amin’ny fanarahan-dia ny zandarimariam-pirenena avy any Soanala amin’izao fotoana izao.
Mino




