“Tsotra ny fitakianay: misy tolona natao teny an-kianja. Matoa sahy nanapa-kevitra nandrava ny governemanta ny filohan’ny Fanavaozana, tsy namaly an’izay tolona ho amin’ny fanovana ilay governemanta Rajaonarivelo Herintsalama”. Io ny fanehoan-kevitry ny avy amin’ny Komity fanavaozana ifotony an’i Madagasikara (KFIM) sady mpanolotsaina teknika ny filohan’ny Fanavaozana, Rabevahiny Elia, omaly, manoloana ny fandravana ny governemanta.
Inoana fa mba tena hamaly ny hetahetam-bahoaka sy ny tolona ny governemanta hitsangana eo. Tsy inona izay fa ny fanovana miantraika amin’ny fiainam-bahoaka. Izay no angatahiny amin’ny filohan’ny Fanavaozana: mba ho olona tena vonona amin’ny Fanovana, tia tanindrazana, tsy mahalala afa-tsy izay hampandroso an’i Madagasikara… Izay no irariana ho tafepetraka ao anatin’ny governemanta vaovao hitsangana eo. Anjaran’ny fitondram-panjakana ny mijery izay tsara sitrapo rehetra. Inoana fa misy olom-banona eto amin’ny firenena.
Hatrany am-boalohany ny Otrikafo no efa nampiseho ny tsy fankasitrahana ny governemanta Rajaonarivelo Herintsalama. Ny antony: fanovana no notakiana teny an-kianja teto amin’ny firenena. Ho an-dry zareo, rehefa tsy mamaly an’izay fanovana izay: iezahany ijoroana hatrany. Manoloana ny toe-draharaha, misaotra ny filohan’ny Fanavaozana sahy nanapaka-kevitra amin’ny fandravana ny governemanta izy. Mirary ny hitsanganan’ny governemanta vaovao faran’izay haingana.
R. Nd.




