Sambany tao anatin’ny 10 volana no nahazo aina ny vola malagasy. Omaly, tafidina 4 782,67 Ar ny Euro iray ary 4 146,04 Ar kosa ny dolara, araka ny tarehimarika navoakan’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM). Anisan’ny antony voalohany mampahazo izany ny fiverenan’ireo vola vahiny tamin’ny alalan’ireo fanondranam-bokatra toy ny letisia sy lavanila ary ireo harena an-kibon’ny tany nataontsika any ivelany. Mihena ihany koa ny fanafaran’entana ataon’i Madagasikara amin’izao fotoana, ka mampitombo ny Tahirim-bolantsika eny anivon’ny BFM. Na izany, mety mandalo ihany ny zava-misy satria hiverina hiakatra indray ny fanafarantsika entana mandritra ny fetin’ny Paka. Ahina hiakatra ihany koa ny vidin’entana eo amin’ny tsena iraisam-pirenena manoloana ny ady ao Iran ka hampiiba indray ny vola malagasy. Noho izany, manahy sahady ny zava-misy ireo mpandraharaha sy mpanafatr’entana. Misy amin’izy ireo no efa manafatra tsikelikely ny vokatra amidiny mba tsy ho tratry ny tampoka sy hisorohana ny varotra fatiantoka mba hitsinjovany ny fihariany.
Henintsoa




